AMCHAM : hanome atrikasa ho an’ireo vehivavy mpandraharaha

Hanampiana ireo vehivavy mpandraharaha malagasy hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny tsena amerikanina, hanatontosa atrikasa ho an’ ireo vehivavy mpandraharaha ny eo anivon’ny American chamber of commerce in Ma­dagascar (AMCHAM). Ha­nampy ireo vehivavy mala­gasy mpandraharaha miasa eo amin’ny sehatry ny fambolena hiditra eo amin’ny tsena amerikana izany. Hianatra ny fomba sy ny fifandraisana ilaina hampifanarahana ny paikady ara-barotry ny orinasan’izy ireo sy hanatrarana ireo mpanjifa amerikana io atrikasa io. Handalina momba ireo rafitra findramam-bola madinika sy ireo fanararaotra manokana eo amin’ny sehatry ny varotra toy ny African growth and opportunity act (AGOA) koa ireo vehivavy mpandraharaha ireo. Tanta­nim-behivavy ny antsasak’ ireo orinasa misehatra eo
amin’ny lafiny ara-tsakafo mpikambana ao amin’ny AMCHAM Madagasikara. Hampiroboroboana io sehatry ny fandraharahana ataon’ny vehivavy malagasy io, mama­tsy vola amin’io tetikasa io ny “Power-oroviding opportu­nities for women’s economic rise initiative”. Tohanan’ny Sampana amerikanina misahana ny resaka varotra sy toe­karena.

Tsiferana R.

Partager sur: