Fitohanan’ny fifamoivoizana : 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka

Misy fiantraikany lehibe amin’ny toekarena ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra. Tombanana 40 tapitrisa dolara isan-taona ny fatiantoka amin’ny fitaterana, araka ny tatitra nataon’ny Banky iraisam-pirenena. Fatiantoka 0,34 % amin’ny harinkarena faobe.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky iraisam-pirenena ihany, ny Renivo­hitr’i Madagasikara laharana faha-134 amin’ireo 150 tanàn-dehibe indrindra. Misy ampahan-dalana tsy afaka fitoha­nana, mandany fotoana sy mamono antoka tanteraka ; ampahan-dalana sasany mitohana lava mandritra ny ora fandehanana miasa. Efa fiainan’olona eto Antananarivo ny fitohanan’ny fifamoivoi­zana, afa-tsy andro alahady sy andro fety, mba misy ante­naina.
Fototry ny olana amin’izany ny rivotra maloto miteraka tsy fahasalaman’ny mponina. Mihamafy hatrany ny fito­hanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo, raha ny hita isan’andro, mandritra ny taona. Anjaran’ny mpitondra fiarakodia ny misafidy ny lalany, fa eo koa ny fanamboarana ny fifamoivoizana amin’ny lalana sasany.

Ndrina

Partager sur: