Notanterahina ny alarobia 08 marsa 2023, teny amin’ny Campus Telma, Andraharo, ny fampahafantarana ny hetsika “Tana design Week” andiany faharoa. Hivelatra kokoa amin’ny any ivelany ny hetsika amin’ity andiany ity. Hisy ny vahiny avy any ivelany ho avy eto Madagasikara. Lohahevitra amin’ity taona ity ny “Ary raha”, dikanteny avy amin’ny teny vahiny “Design”. “Mamolavola fiarahamonina ny fananganana sekoly” ny teny fanentanana amin’ity hetsika ity. Tanjona ny hanomezana lanja manokana ny sekoly. Hetsika maro no ho hita ao anatin’izany. Amin’io fotoana io ihany koa no hampahafantarana ny sekoly malagasy voalohany momba ny “Ary raha”.
Hotontosaina ny 11 hatramin’ny 18 marsa 2023, eny amin’ny Gara Soarano, ny hetsika “Tana design Week” andiany faharoa. Fampirantina, atrikasa, dinika fifanakalozan-kevitra, ireo no hameno ny herinandro. Tetikasa 6 no haranty mandritra ny hetsika. Anisan’izany ny tetikasa momba ny sekoly. Mpahay “Ary raha” malagasy sy vahiny no hiara-hiasa amin’ny fananganana izany sekoly izany. Hampisongadina ity hetsika ity ihany koa ny fisian’ny tetikasa momba ny lamba. “Tanjona ny hahatonga antsika Malagasy ho afaka mifaninana amin’ny marika lehibe eo amin’ny famokarana lamba”, hoy ny mpikarakara. Mampiseho ny dingana rehetra narahina, nahatongavana amina vokatra “Ary raha”, iray, ny “Tana design Week”. Tsy ny vokatra farany ihany no haranty ao fa ny tao ambadika rehetra, araka ny nambaran’i Domi Sanji, mpamolavola ny “Tana design Week”.
Lin (Mpianatra asa)