Maro ireo mpanakanto Malagasy nihodina tany ivelany, nanomboka tamin’ny volana desambra lasa teo. Angamba kosa tsy nisy nahavita ny nataon-dry Mbola Talenta, Fanilo Poppin’s, Inah ary Mirana, raha ny isan’ny fiakarana an-tsehatra no jerena. Am-polony maro ary tsy nisy herinandro tsy niakarana an-tsehatra izy ireo. saika voatety i Frantsa ary mbola niitatra tany amina firenena hafa izany. “Les Talenta”, hoy ny anarana nomen’ireo mpankafy azy ireo tany ivelany. Tsy napetraka ho anaran’ny tarika akory, saingy mahafehy tsara kosa ny fiarahana, satria dia tena fizaran-talenta marolafy tokoa izany.
Mazava loatra fa fahombiazana matoa toy izay, ka tsy hiato an-tenantenany. Vao tonga tamin’ny sabotsy teo, kanefa efa fantatra sahady fa hitohy eto an-toerana ny andiam-pampisehoana hataon’izy efatra mianadahy ireto. Akaiky indrindra ny rahampitso zoma 10 marsa, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, etsy amin’ny Piment Café, Behoririka. Hitohy hatrany amin’ny faritra izany.
Zo ny Aina