Taty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19, niova ny tantaran’i Madagasikara satria nifandray diplomatika tamin’ny fanjakana anglisy izay iray tamin’ireo firenena natanjaka indrindra eran-tany ny mpanjaka Radama I ary nanao sonia fifanaraham-piarahamiasa taminy. Tafiditra tao anatin’izany ny fangatahany mba handefasana mpahay taozavatra hampianatra asa vaovao ny vahoakany. Tsy nandà koa izy ny hampianarana ny fivavahana kristiana eto Madagasikara. Ny London Missionary Society (LMS) no naniraka misionera hanatanteraka ny fiaraha-miasa.
Nandritra ny valo taona mahery (1820-1828) niasan’ny misionera, faly niara-niangona sy nihaino « hiram-bazaha » fotsiny ny Malagasy, satria tamin’ny teny anglisy rano iray ny fanompoam-pivavahana. Misionera sivy mianadahy no niara-niombona tamin’izany.
Niova io taty aoriana. Niroso tamin’ny fandikana amin’ny teny malagasy ny hiram-pivavahana sy ny Baiboly ny misionera. Faran’ny taona 1830, nisy fiangonana naorina tao Ambatonakanga. 22 mey 1831, nivoaka ny tenin’Andriana nilaza fa azo atao ny Batisa sy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ho an’ny Malagasy. Notokanana tamin’ny 5 Jona 1831 ny Fiangonana voalohany tao Ambatonakanga izay vita tamin’ny hazo.
Hiverina ny fiteny anglisy
Alahady 12 Jona 1831, niorina ho Fiangonana protestanta malagasy voalohany ireo mpandray tao Ambatonakanga. Ny fitambaran’ny vita batisa sy ny mpandray fanasan’ny Tompo mantsy no antsoina hoe « Fiangonana ». Rev David Johns no mpitandrina tao, ary James Cameron no diakona. Handray ny fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy izay karakarain’ny Foibe FJKM isam-bolana ny FJKM Tranovato Ambatonakanga, amin’ny Alahady 12 Marsa izao manomboka amin’ny 2ora sy sasany. Hialohavana hira fiderana amin’ny 2 ora. Handrenesana ny rindram-peon’ny Gospel Ambonin’Ampamarinana, ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely ary ny Feon’ny Frenjy Faravohitra. « Tafiditra amin’ny hetsika hanatrarana ny vinan’ny FJKM « Vontosy Filazantsara », ity fanompoam-pivavahana amin’ny teny anglisy ity ka hanasana ny Malagasy sy ny vahiny », hoy ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga.
HaRy Razafindrakoto