Noho ny olana ara-tsakafo ateraky ny haintany ao amin’ny distrikan’Amboasary Atsimo sy Ambovombe, nanomboka omaly ny asa fanarenana ny lemak’i Behara. Nosantarina tamin’ny asa famerenana amin’ny laoniny ny fitarihan-drano amin’io lemaka goavana io, afaka manondraka hatramin’ny velaran-tany 1.000 ha izany, raha 350 ha monja no voatondraka amin’izao fotoana izao. Ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny velontenan’ny mponina anatin’ireo distrika roa ireo, asiam-panamboarana ny lemaka iray manontolo. Vinavinaina ho tafakatra 8.000 t ny vary azo vokarina aorian’ny asa fanamboarana. Manomboka eo amin’ny tohodrano Beraketa I izany. Havaozina koa, ny lakan-drano lehibe Beraketa I, mirefy 6,44 km. Tafiditra anatin’ity tetikasa Defis ity, izay tohanan’ny Fida vola, koa ny lakandrano efatra hafa. Anisan’ireo, ny lakandrano Ampasantaly, Beraketa II. Nanokatra ny fanombohan’ny asa, notronon’ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana, ny Tale jeneralin’ny fambolena ao amin’ny Minae, io omaly io.
Tsiferana R.




