Eo ho eo amin’ny 40 %-n’ny atody jifaina eto Madagasikara dia avy amin’ny toeram-piompiana akoho ao amin’ny kaominina Mahitsy avokoa. Betsaka ny olona mivelona amin’ny fiompiana akoho, ankoatra ny fambolena.
Miavaka ny kaominina Mahitsy, eto amin’ny Nosy, amin’ny maha mpamokatra atody azy, ary betsaka ny jifaina eto an-toerana. Araka ny fanadihadiana natao, misy mpiompy manana akoho 38.000 hatramin’ny
62.000 isa ny any an-toerana, akoho karazany rehetra. Tsy latsaky ny 150.000 atody isan’andro no mivoaka ao Mahitsy, ary azo lazaina fa fiveloman’ny mponina ny fiompiana akoho.
Na amin’izao fotoana aza, azo antoka fa mbola misy mpiompy tsy manao fanambarana ny azy. Ny marina dia misy toeram-piompiana ahitana akoho manatody lava, saingy tsy fantatra ny tena fisiany. Mpiompy sasany mandà tsy mety hanaovana fanadihadiana.
Nefa natao ahafantarana zavatra maro ny fanadihadiana, toy ny lalana famoaham-bokatra, ny mpividy, ny aretina mamely ny fiompiana, ny sakafo. Nafantoka tamin’ireo akoho manatody lava ny fanadihadiana ahafantarana ny tena marina : ny fomba fiompiana, ny fitantanana, ary ny varotra atody.
Nosafidiana ireo andininy telo ireo ahalalana tsara ny mpiompy sy ny fiompiana ivelomany. Marihina fa ny distrikan’i Mahitsy, faritan’ny kaominina Antanetibe Mahazaza any avaratra, Antamboho any atsimo, Mananjara-Ampanotokana any andrefana, ary Anosiala ny atsinanana. Izy no faritra mpamokatra atody akoho be indrindra manerana an’i Madagasikara.
Ndrina