Notontosaina omaly tao Farafangana, notarihin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy (Medd), nahitana solontenan’ny prefektiora sy ny faritra, avy
amin’ny talem-paritra, sy ireo fikambanana maro samihafa.Toy ny tetikasa Giz Prada ihany, HIH, MBG, nisy hevitra avy amin’ny maro an’isa noraisina namosaka ny tolo-keviny.
Haharitra 48 volana ny tetikasa andiany faharoa, mitentina 7 tapitrisa dolara avy amin’ny GEF*, ary anisan’ny faritra dimy nahazo famatsiam-bola Atsimo Atsinanana. Vonona ireo mpiatrika rehetra satria zava-dehibe ny fampifandraisana ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny filazan’ny talem-paritry ny Medd Atsimo Atsinanana, Atoa Kofoky Amyot.
Anton’ny atrikasa ny fanomanana ny tetikasa andiany faharoa, satria mbola voafidy ny faritra Atsimo Atsinanana, ankoatra ny faritra hafa. Ny fototry ny hevitra andrasana fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny morontsiraka misy vinany sy ny ala atsinanana.
Nandray anjara, nahitana solontena avy amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana, fizahantany, jono, fambolena, ireo nalain-kevitra amin’izany. Teo koa ny solontenan’ny mpanjono sy ny vondron’olona ifotony sy ny solontenan’ny ben’ny tanàna rehetra. Enga anie tsy ho atrikasa an-tsoratra fotsiny fa tena misy ny fampiharana izay hevitra tapaka.
Ndrina
GEF* : Global Environment Facility