Nanampy ny fahaiza-manaony ireo mpiasa sosialy. Mba handray an-tanana ireo ankizy iharan’ny herisetra eto amin’ny Nosy. Natolotry ny Unicef, omaly, teny Ankatso, ny mari-pahaizan’izy ireo.
Mpiofana miisa 60 no nahazo mari-pankasitrahana avy amin’ny Unicef, omaly. Natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Faculté EGS (Toekarena, Géologie, Fiarahamonina) teny Ankatso, ny lanonana. Nisitraka izany ireo mpisehatra sosialy eny amin’ny fiarahamonina sy ao anatin’ny orinasa maro samihafa eto Analamanga. Anisan’izany, ny avy amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny mpiasa sosialy eo anivon’ny ministeran’ny Mponina ary ny fiarahamonim-pirenena sy sivily. Nofanina mba hanome torohevitra sy hanoro lalana ary handray an-tanana ireo iharan’ny herisetra ireo mpiasa sosialy ireo, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. Tanjona ny hiarovana ny zon’ny zaza, ny hanatsaharana ny herisetra ary hanafaizana ireo mpanao herisetra.
“Mandray an-tanana voalohany ireo ankizy iharan’ny herisetra amin’ny voina mahazo azy ireo ny mpiasa sosialy”, hoy ny mpiasa sosialy eo anivon’ny ONG Afa, Rakotomanga Harilanto. Nilaza izy fa manampy azy ireo amin’ny sehatry ny asa eny ifotony ny fiofanana toy izao, satria mampitombo ny fahaiza-manao sy traikefa.
Tsy sahy miteny ny ankizy iharan’ny herisetra
Mbola mahazo vahana eto amin’ny Nosy ireo ankizy iharan’ny herisetra. “Tsy sahy miteny ny ankamaroan’izy ireo noho ny tahotra sy ny tsindry avy amin’ny lehibe ka mangina sy miaritra ny fijaliana sy ny hirifiry mahazo azy”, hoy ny tale mitantana ny FPTSD (Formation professionnalisante en travail social et développement), Rakotoarison Andrinirina Yvon. “Misy fiantraikany lehibe eo amin’ireo ankizy ireo anefa izany”, hoy hatrany izy. Mbola mpahazo ny ankizy ny herisetra ara-tsaina sy ara-batana. Antony nahatonga ny fiaraha-miasa eo amin’ny Unicef sy ny Vondrom-pampianarana ny FPTSD, eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mba hialana amin’ireo tranga mateti-piseho ireo.
Marihina fa naharitra 10 andro ny fiofanana. Mbola hitohy io fe-potoam-piofanana io hampitomboana ny fahaiza-manaon’ireo mpiofana ireo.
Mino (mpianatra asa)