Noho ny tsy fananam-bola, novonoin’izy mivady ny anadahin-drenin’izy ireo nonina tao aminy, ny fiandohan’ny volana marsa teo.
Araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, fantatra fa ireto mpivady ireto no nipetrahan’io olona hita faty tsy nisy taova io. « Efa antitra ka tsy namana amin’ny fitadiavam-bola intsony izy. Nisy olona nilaza ho mahita mpividy taova”, hoy ireto mpivady ireto. Nofotopotorana ireto zanaky ny anabavin’ilay lehilahy maty ireto. Nambaran’ izy ireo ny olona telo hafa nandray anjara fototra tamin’ny fanesorana ny taovan’ilay niharan’ny habibiana. Nesorin’ny lehilahy iray ny maso, ny lela niampy ny ravin-tsofina. Nitazona ilay raim-pianakaviana nandritra ny fanaovana io asa ratsy io ny olona roa hafa. Voasambotra avokoa ireto olona dimy ireto. Mbola tsy hita ny nasian’ireto olon-dratsy ireo ny taova nangalariny. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Sajo