Hatao vela-pandrika ireo olona voarohirohy nahafaty ny renim-pianakaviana iray, talen’ny EPP Antanimena, sy ny zanany vavikely ao Manakambahiny andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, andro vitsy lasa izay. “Efa fantatra daholo ireo olona ahiana ho nahavanon-doza, ho porofoina izany ka hanaovana velam-pandrika izy ireo”, hoy ireo zandary mpanao famotorana. Voafaritra manaraka izay koa ny antony namonoana azy mianaka. Eo ny lonilony sy ny ady lova amin’ny vadin’ity talen’ny sekoly maty ity. Nanambady vehivavy hafa mantsy ity rain-janany taloha ary niteraka tamin’io vehivavy io. Tsy nisoratra ara-panjakana anefa ny roa tonta. Taty aoriana, nanambady an’ity talen-tsekoly ity ilay lehilahy ary niteraka an’ilay vavikely izy mivady. Vita soratra ara-panjakana ireto ankohonana vaovao. Ary nogiazan’ity talen-tsekoly ity ny fananan-drangahy vadiny. Tezitra manoloana izany ilay ramatoa vady voalohany, araka ny fanazavana voaray. Fantatra tamin’izay fa niakatra eny anivon’ny fitsarana ny raharaha. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana.
Henintsoa H.