Tena mahavariana isika Malagasy ireto ! mampiteny ny moana ny zava-misy eny amin’ny tambajotran-tserasera. Zary misolo vaika ny fitsarana sy ny mpitsara ny mpampiasa azy. Raha ny zava-nisy omaly, tena mahatonga saina. Hatreny amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony no voafandrika. Zary nifanilika andraikitra imasom-bahoaka ny samy tomponandraikitra. Niezaka nanadio tena sy nitady ny fomba nialana bala ny manam-pahefana. Mahamenatra !
Tsy misy intsony ny fanajana ny atao hoe tsiambaratelo arak’ asa. Raha tsy mbola miparitaka eny amin’ny sampana isan’ambaratongany na ny rafitra an-tanan-tohatra ny fampitam-baovao eny amin’ny « facebook » no ahitana izany voalohany. Zary tsy misy ny fifanajana amin’ny samy mpiara-miasa. Hadino tanteraka ilay maha olombelona, miavaka amin’ny fifampiresahana.
Raha tokony ho natao hitadiavan-tsoa sy mba hampirindra fiaraha-monina ny resaka teknolojia sy ny nomerika, mivadika
ho fitsaram-bahoaka sy famotehana olona izany ankehitriny. Mifamono sy mifanomboka amin’ny hazo fijaliana ny olom-pirenena tsirairay. Mifampiandry kendritohina mba hamonoana ny mpiara-belona aminy. Mba ataovy moa izany hoe solafaka indray mandeha amin’ny tambajotran-tserasera e ! tsy misy hitsetra na hanarina fa dia homboy, homboy, homboy, hatrany no ambetin-tenin’ny rehetra.
Tratran’ity aretina hafahafa ity avokoa ny sokajin’olona rehetra eto Madagasikara. Tsy mifidy saranga, tsy mifidy laharam-boninahitra, tsy mifidy fari-piainana, tsy mifidy mari-pahaizana. Tafiditra anaty vela-padrika avokoa hatrany amin’ny tompom-pahefana faratampony. Taiza teto ambonin’ny tany no misy fandroahana mpiasam-panjakana ambony raha vao malotoloto eny amin’ny « Facebook ». Tongo-bakivaky, sady maharary no mahamenatra, ilay izy.
Anisan’ny firenena afrikanina, na maneran-tany, lasa lavitra isika amin’ny fampiasana ny teknolojia sy ny fidirana bebe kokoa amin’ny nomerika. Ny indrokely, mahay mampiasa azy amin’ny zavatra ratsy no betsaka. Tsy mahagaga raha mirongatra ny kolontsaina mibirioka, manohitra ilay hasina maha olombelona sy ny soatoavina malagasy.
Manoloana izany, mila hamafisina ny fampiharana ny lalàna momba ny heloka ana habaka. Ny manahirana anefa, zary ataon’ny sasany fitaovana politika koa ilay izy. Lasa misy ny mizana tsindrian’ila ka mainka mandrehitra ny afon’ny fifamaliana faty sy fanaovana tsindry hazolena ilay izy.
Mbola fanamby iray goavana ilana fiheverana manokana ny fikirakirana ny tontolo nomerika eto amintsika sy ny filalaona ny teknolojia vaovao. Tokony tsy ho hadino fa fanoitra hoenti-mandroso ilay izy fa tsy fitaovana hoentina manao fitsaram-bahoaka sy famonoana olona an-kolaka. Samia mandinika lalina !
r.r