Filoha Rajoelina Andry: “Soloina ireo tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny TGV”

Nitondra fanazavana manoloana ireo fanesorana tomponandraikitra sy mpitantana sasany eto amin’ny firenena tato ho ato ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Anosizato. Mazava ny nambarany tamin’ izany.

Tsy niolaka fa nahitsy ny lahateniny, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana. “Hohafain­ganintsika ny “vitesse”-ny TGV. Solointsika ireo matoritory sy “midorodoro” na tsy miasa. Ireo vonona no miaraka amin­tsika amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny Repoblika, tamin’ny fitokanana ny “Ji­rama Shop”, teny an-toerana. Nanteriny fa fotokevitra sy filozofia amin’ny lalana izo­rana amin’ny fitantanana ny firenena izany. Na izany aza, notsindriny fa tsy midika ho tsy fahaizana na tsy fitiavana ny nanesorana na nanoloana ny sasany amin’ireo tompon’ andraikitra sasany.

Niala tsiny amin’ny fihavanana ny filoha

Ilaina ireo maharaka ny ha­fainganam-pandehan’ny TGV fa tsy ireo matoritory. “Miala tsiny amin’ny fihavanana fa tsy mety amintsika izany. Tafi­ditra amin’ny fanovana sy ny fomba fiasantsika izany”, hoy ihany izy.
Nitodika amin’ireo solombavambahoaka tonga teny an-toerana ny tenany : ny depiote isany Ratsivahiny Andry sy Rahasimanana Paul Bert “Rossy” ka nilaza fa ilaina ny fiaraha-miasa, indrindra amin’ ny fijerena ny vahoaka. Eo koa ny ho fiantraikan’ny asan’ ny fitondram-panjakana amin’ ny vahoaka eny ifotony, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: