“Miezaka amin’ny fanabezana ny olom-pirenena ry zareo Amerikanina amin’izao. Maivamaivana ihany raha ny olom-pirenena no tsy mahafantatra ny momba ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, taorian’ny nandraisany ny ambasadaoro amerikanina, i Pierangelo Claire teny Alarobia, afakomaly. Mankasitraka ny fijoroana sy ny finiavan’ny Ceni amin’ireo fanamby hiatrehana ny fifidianana ny ambasadaoro. Eo koa ny ezaka amin’ny hanatanterahana fifidianana mirindra. Hanampy ny Ceni amin’ny fanabeazana mpifidy amin’ny fifidianana izy ireo. “Mihoatra ny 10 tapitrisa ny voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy”, hoy ny filohan’ny Ceni. Misy anefa ireo mihevitra fa rehefa tao anatin’ ny lisitry ny mpifidy teo aloha izy, tsy miditra intsony amin’ izao fanavaozana izao. Tokony hasiana fanitsiana izay. Maro koa ny tsy manana karapanondro. Ampirisihan’ny Ceni ny fitsarana mitety vohitra hahazoan’ny olom-pirenena sora-piankohonana sy karapanondro.
Anisan’ny nampangingina ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy koa ny fandalovan’ny rivodoza, tsy maintsy itadiavana vahaolana.
R. Nd.