Sarimihetsika : misokatra ny Laza Production

Retsanga Lazasoa, roa taona nilonana ao anatin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy. Maro ny horonantsary nahafantarana azy, indrindra ny tany atsimon’ny Nosy. Mieritreritra ny handeha lavitra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy izy. Nosokafan-dRetsanga Lazasoa ny trano famokarana Laza Production, izay miezaka manatsara ny tontolon’ny sinema eto an-toerana. Maro mantsy ny lesoka momba ny tontolon’ny sarimihetsika ankehitriny, raha ny nambarany.
Tanjony ny hanandratra avo ny zavakanto malagasy ary misokatra ho amin’ny fiaraha-miasa rehetra izy sy ny Laza Production tarihiny. ” Aoka izay ny fanambakana olona amin’ny resaka « casting ». Aleo mba hisitraka ny zavatra nampanantenaina azy ny olona”, hoy i Retsanga. Hiompana amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny sarimihetsika malagasy ny ezaka hotanterahin’ny Laza Production. Miantso fiaraha-miasa matotra amin’ireo rehetra vonona ny hanatratra izany tanjona izany ihany koa izy.

Nanangona : HaRy Razafindrakoto

Partager sur: