Fiofanana andiany faha-III: « Mifamatotra ny valiha sy ny fanahy »

Tafiditra ao anatin’ny an­diany faha-III ny fiofanana karakarain’ny vondrona Vali­han’Ikaky. Lohahevitra amin’ izany ny « Fifamatoran’ny va­liha sy ny fanahy ». Noma­ri­hin’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity vondrona ity fa « adidy lehibe ho anay ny manome ny fototra sy fahalalana mafy orina ho an’ ny taranaka aty aoriana mba hahatonga azy ireo ahafan­tatra sy hanome hasina ny momba azy manontolo. Anisan’ izany ny kolontsaina ». fantatra fa ny voalohandohan’ny volana avrily no hanatanterahana ity fiofanana andiany faha-III ity, eto Antananarivo.
Raha ny fanazavan’ny iray amin’ireo mpampiofana, « zavamaneno manana ny mampiavaka azy ny valiha malagasy. Mifono hevi-dalina ihany koa ny teny malagasy. Haneho izay fifamatorana izay ny fiofanana ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: