Nanatanteraka fitsidihana ny akany Avoko Faravohitra, ny zoma 10 marsa 2023, i Tayc. Hetsika tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanany ao anatin’izao fandalovany eto Madagasikara izao. Tafatafa sy resadresaka no nameno ny fihaonana teo amin’ny ankizy tezaina ao amin’ity akany ity sy ity vahiny mpanakanto vahiny. “Tombony lehibe ho anay ny fitsidihana nataon’ity mpanakanto vahiny ity. Manampy anay amin’ny fitaizana ny ankizy izao fitsidihana izao, ary mandrisika ny ankizy beazina hilofo amin’ny fianarany, hahatongavany amin’ny tanjony”, hoy i Herifanomezantsoa Faraniaina, talen’ny akany Avoko Faravohitra.
“Tsy midika inona ny lalana nodiavina fa ny fahatongavana eny amin’ny tanjona no zava-dehibe”, hoy i Tayc, nandritra ny tafatafa nifanaovany tamin’ny ankizy tezaina ao amin’ity akany ity. Hafaliana ny an’ny ankizy, indrindra ny tanora, raha nandray an’ity mpanakanto vahiny manana ny lazany ankehitriny ity. Amin’ny maha tanora azy ireo, anisan’ ny nofinofiny izany hihaona sy hitafa mivantana amin’ny mpanakanto malaza toa an’i Tayc izany, indrindra amin’ny maha mpanakanto vahiny azy.
Tetsy ankilan’izay kosa, tsy nisalasala ity mpanakanto frantsay ity nitafatafa sy nifanakalo tamin’ireo ankizy ireo. “Efa nandalo tamin’ny fitaizana sahala amin’ny anareo izao aho ary anisan’ny nahatongavako tamin’izao toerana misy ahy izao izany fitaizana izany. Manantena aho ny hahatongavanareo amin’ny tanjonareo tsirairay avy”, hoy i Tayc.
Lin (Mpianatra asa)