Zezika SA: mihena ny masonkarena, mitombo ny voka-bary

Tsy manimba ny nofon-tany ny zezika simika, rehefa voafehin’ny mpamboly ny fenitra sy ny lanja fampiasana azy. Tsy maintsy mampiasa zezi-pahitra ihany koa anefa. Isan’ny zezika simika mora nefa mampitombo ny vokatra ny Solfata Amonioma.

Samy hafa ny fampiasana ny zezika simika mahazatra, ny NPK (11-22-16) miampy ny «urée», miohatra amin’ny zezika Solfata Amonioma (SA). Tsy takatry ny tantsaha intsony ny vidiny, tafakatra avo roa heny, satria lasa 5.000 Ar hatramin’ny 6.000 Ar ny kilao, raha 2.000 Ar hatramin’ny 3.000 Ar tany aloha. Misy ankehitriny ny karazany hafa, ny solfata amo­nioma (SA), izay amidy 1.500 Ar ny kilao. Izany hoe, mora lavitra, miohatra amin’ iretsy zezika voalaza etsy am­bony. Natao tany amin’ny kaominina Ranomafana Atsi­nanana, distrika Brickaville, ny 9 marsa teo, ny fampiofanana azy ireo, mikasika ny fampiasana ny zezika Solfata Amonioma (SA). Miisa 10 ny mpitarika fikambanana tantsaha niofana. Ireo indray no hampita ny fahalalany any amin’ny mpikambana ao ami­ny, manodidina ny 15 isanisany.

Tsy maintsy afangaro amin’ny zezi-pahitra
Nomarihin’ny tompon’andraikitry ny fampiofanana ao amin’ny Papriz, Rakotoarison Emmanuel Armand, fa tsy maintsy mampiasa zezim-pahitra foana, na eo aza ny zezika simika. Ilaina ny fiofanana ny fampiasana ny zezika simika, fa raha tsy izany, izay no mahatonga ilay filazana fa manamafy tany. Mahatratra 500 kilao/ha ny zezi-pahitra ilaina.

Ahazoana tombony kokoa ny fampiasana ny zezika SA, mihoatra amin’ny zezika si­mika hafa. Tafakatra 4,5 t/ha hatramin’ny 5t/ha ny vokatra ny fampiasana SA, raha 1,5t/ ha tany aloha.

Mahatratra 200 kg ny zezika NPK ilaina amin’ny ta­nimbary 1ha, miampy «urée» 83 kg. Manodidina ny 4.500 Ar ny kilaon’ireo, izany hoe, mandany 1.282.500 Ar.
Milanja 185 kg kosa ny ilaina ho an’ny zezika SA amidy 1.500 Ar/kg, izany hoe, 277.500 Ar ny vidiny. Raha atao ny fampitahana, avo dimy heny mihoatra amin’ny vidin’ny SA ny vidin’ny NPK miapy «urée».

Nitombo avo roa heny ny vokatra
Nilaza Rtoa Marovavy Célestine, isan’ny niofana, fa nisy tokoa ny fiovana rehefa mampihatra ny teknika. Ni­hena ho 1 kapoaka ny vary afafy amin’ny tany 10 ora, atao ketsa milahatra, raha 10 gony tamin’ny nampiasana ketsa saritaka. Avo roa heny, lasa 20 gony anefa ny vokatra avy eo. Isan’ny fepetra tsy maintsy atao, ny mampiasa zezika ampy fatra tsara, sy miava intelo farafahakeliny.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: