Tohanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida), ny Fandaharanasa fanamafisana ny fandraharahana maharitra sy fanohanana ny toekarena ny tanora tantsaha mpandraharaha (Progres). Miaraka mamatsy vola azy ny Fida sy ny Tahirimbola avy amin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OPEP. Mitentina 82.780.000 euros ny famatsiambola azon’i Madagasikara, izay mizara telo. Voalohany, ny fampiroboroboana ny fandraharahana ho an’ny tanora tantsaha. Entina hanomezan-danja ny lalam-pihariana fambolena, ka hamoronana orinasa miisa 21.200, hanome asa manodidina ny 50.000.
Velaran-tany 1.842 ha ho voatondraka
Faharoa, ny fampandrosoana ny rafitra ara-tsakafo ho an’ny olona tena sahirana. Voakasik’izany ny hizarana titra tany (titre vert) ho an’ny tokantrano sahirana, miisa 75.000, ahafahany mamboly sy miompy. Mahatratra 110.500 ny tokantrano hisitraka sakafo, titra maitso 10.000. Mirefy 1.842 ha ny velaran-tany ho voatondraka, lalana 40 km hamboarina, fotodrafitrasa fiompiana 50 hatsangana. Miisa valo ny toeram-pitobiana vokatra haorina, miampy toera-panodinana vokatra 25 ary toeram-pitotoana vary 20.
Fahatelo, fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny sampandraharaham-panjakana hisahana ny fitantanana ny tetikasa.
Njaka A.