Manakaiky hatrany ireo mpanjifa ny eo anivon’ny orinasa Jirama. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Jirama Shop voalohany etsy Anosizato, omaly.
Hanamora ny fisitrahan’ ireo mpanjifa ny tolotra omen’ity orinasa malagasy ity io shop io, araka ny nambaran’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Soloniaina Andriamanampisoa.
Ankoatra ny fandrisihana ny tolotra rehetra eny amin’ ny masoivoho, hampirantiana ireo fitaovana rehetra mifandraika amin’ny jiro sy rano ary ahitana ny “guichet unique” koa ao an-toerana. Afa-mividy ny fitaovana ilainy amin’ny fisitrahana ny jiro sy rano ao amin’io shop io avy hatrany ireo mpanjifa. “Tsy tokony ho olana intsony ny tsy fisian’ny fitaovana. Saran’ny fametahana sisa no omena ny jirama manao ny asa”, hoy ny tale jeneralin’ny jirama mpisolo toerana. Mahaino ny fitarainan’ny mpanjifa ny Jirama Shop. Marihina fa nitokana ity fotodrafitrasa ity, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry sy ny minisitra telo : Minisitry ny Angovo, ny Rano ary ny Vola, omaly. Mifandraika amin’io sehatra io, fanambin’ny filoha, ny hisitrahan’ny fianakaviana miisa 1 tapitrisa “kits solaire” ho an’ity taona ity.
Tsiferana R.