Vokatra vita malagasy : mitombo ny mpanjifa eto an-toerana

Nampiranty sy nivarotra ny vokatra teny Antaninare­nina ireo orinasa madinika 28 eto amin’ny Nosy, omaly. Tanjona ny hanomezan-danja ny vokatra vita malagasy. Eo koa ny hanohanana ireo orinasa madinika. “Nihanitombo sy niova ny foto-pisainan’ny vahoaka malagasy tao anatin’ ny 3 taona satria efa manomboka manjifa ny vokatra vita malagasy izy ireo”, hoy ny tomponandraikitra voalohany eo anivon’ny Med (Madagas­car entreprises développement), Randriamanantena Landry. Nilaza izy fa manodina vokatra aondrana any ivelany ny ankamaroan’ny orinasa malagasy eto Mada­gasikara. Tsy mbola manome sehatra ho an’ny vahoaka ma­lagasy izy ireo satria tsy takatry ny ankamaron’ny Malaga­sy ny vidin’ny vokatra misy.

2500 ireo mpandraharaha niofana
Tsy mitsahatra mampiofana ireo orinasa madinika sy ny olona manana tetikasa ny Med. Nahatratra 2500 ireo mpandraharaha nisitraka fiofanana teo anivon’ny orinasa teto amin’ny Nosy hatramin’izay. Nofanina hahay hitantana orinasa izy ireo. Nomena fahalalana mba hampandrosoana ny sehatr’asa fandraharahana ihany koa. Misy hatrany ny tan-tsoroka mandritry ny herintaona ataon’izy ireo ho fanaraha-maso ireo mpiofana. “Anisan’ny mampandroso ny firenena iray ny fiofanan’ny mpandraharaha re­hetra”, hoy hatrany izy.

Nankalazaina teny an-toerana ihany koa ny faha-10 taonan’ny orinasa Med. Natolo­tra teny an-toerana ihany koa ny boky: “Fanodinana ny vokatry ny tantsaha”. Entina hanampiana ireo tantsaha amin’ny lafiny fambolena sy fiompiana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: