Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalam-pirenena fahaefatra lalan’ny atody, ny sabotsy teo. Ankizilahikely iray vao 3 taona sy ny lehilahy iray 40 taona mpitaiza azy no indray namoy ny ainy. Avy any Antanetibe Mahazaza ilay moto, nanao taingin-telo nisy an’ilay zaza. Kamiao iray avy aty Mahitsy, mifanohi-dalana aminy kosa ilay nifandona taminy. “Nandeha mafy ilay moto ka nifandona tamin’ilay fiara rehefa teo amin’ny kihon-dalana teo Antandrokomby”, hoy ny fanazavan’ny zandary misahana ny fanadihadiana. Mafy ny dona ka nianjera mafy ireo mpandeha moto. Namoy ny ainy tamin’ izay ilay ankizilahikely tsy manan-tsiny sy ilay mpitaiza azy. Naratra mafy kosa ny tovolahy iray nitondra ilay moto. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-nisy ny zandary ka namonjy ireo niharam-boina. Ilay naratra kosa nalefa teny amin’ny hopitaly Mahitsy ary manohy ny fitsaboana ao amin’ny hopitalin’ Anosiala amin’izao. Potika tanteraka ilay moto ary efa nomena ny havany ireo vata-mangatsiaka rehetra. Manentana hatrany ireo mpampiasa lalana ny zandarimaria ao an-toerana mba hanaja ny lalàn’ ny fifamoivoizana, hisorohana ny loza toy izao.
Henintsoa H.