Saf FJKM Isoavina Ambanitsena: mamboly karazan-kazo tsy mila rano betsaka

Ny faran’ny herinandro teo, nanefa ny adidiny namboly hazo ny Fikambanan’ny mpanao gazety misahana ny tontolo iainana (AJE)* teny Isoavina Ambanitsena tao amin’ny Saf FJKM. Manana teknisianina manokana ny Saf FJKM, Atoa Dada, momba ny fambolen-kazo nanazava ny tokony hatao.

Gazety Taratra(*) : Azonao lazaina fohy ve ny Saf FJKM eto Isoavina ?
Atoa Dada(-) : Taloha tamin’ny andron’ny misionera, taozavatra ihany no tato, mbola tsy nisy zanakazo ny Saf na Sampan’asa ho an’ny fampandrosoana. Taty aoriana vao namboly, ka novolena voalohany ny voankazo avy any ivelany tsy nisy teto an-toerana, toy ny kiwi, barbadine, dia nohatsaraina taty amintsika, nojerena hoe mety aty an-toerana ve ilay karazam-boankazo?

*Ahoana izany ny nampalaza ny fisian’ny zanakazo karazany betsaka  ?
– Taty aoriana, hitsinjovana ny tontolo maitso dia nandray andraikitra ny Saf FJKM namboly karazan-kazo, in­drindra ny frène, acacia, zakaranda, izay karazan-kazo tsy mila rano betaka sady haingam-pitombo. Ireo karazan-kazo ireo no tena betsaka aty, hambolena mba hiarovana ny tany tsy hokaohin’ny riaka, sy hitazomana loharano.

* Ny fahitanao ny vokatry ny fambolena zanakazo izay, nitombo ve ny rano ?
– Hoan’ny mponina tety amin’ny manodidina, nahatsara azy ny fambolena zanakazo sady voara-maso. Nam­pitombo ny rano, nakana rano fisotro madio hatramin’ny va­nim-potoana maintany mi­sy ny rano. Andraikitry ny Saf koa ny hitsinjovana ny manodidina hatramin’ny kabone manara-penitra.
*Mijanona eto ihany ny zanakazonareo sa misy mivoaka any ivelany ?
– Sady mamboly izahay, mamokatra, no mivarotra. Misy tonga mividy zanakazo dia hampianarina azy ny mamboly, torak’izany koa ny famokarana voankazo. Voankazo vitsy eto an-toerana no tena betsaka volenay omena ny mpanjifa.
Tamin’ny herintaona izao maromaro ihany ny tonga namboly taty. Tao ny fikambanana, fiangonana, zandarimaria, sekoly … Namboly ireo namenoana ny tanety baranahiny.

*Firy ny velaran-tany eto amin’ny Saf FJKM ?
– Saf FJKM fotsiny manana velarana 7 ha, feno tontolo maitso ary misy toerana fampiofanana fiompiana isan-karazany toy ny ombivavy be ronono, kisoa, akoho amam-borona. Toerana fialam-boly ho an’ny maro, misy kianja ara-panatanjahantena, sns.

Nangonin’i Ndrina

Partager sur: