Nahitam-piakarana ny vidim-bary teny an-tsena eto Antananarivo, nanomboka omaly. Lasa 1100 Ariary ny kapoakan’izany ho an’ireo mpivarotra madinika eny anelakela-trano rehetra eny. Voakasik’izany avokoa ny vary vokarina eto an-toerana rehetra. Toy ny vary gasy sy makalioka ary diste. Niakatra sy nanondrotra ny vidim-bary ny eny anivon’ny mpivarotra mpamongady raha ny fanazavan’ny mpivarotra nanontaniana. “Tsy maintsy mampiakatra ary maka tombony kosa ireo mpivarotra madinika manoloana izany”, hoy hatrany izy ireo.
Marihina fa nanodidina ny 900 hatramin’ny 980 Ariary ny vidin’ireo vary ireo tao anatin’ny iray volana lasa izay. Maka tombony 400 Ariary isaky ny kilao ireo mpivarotra raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpivarotra tamin’izany. Ny haratsian’ny lalana hitondrana sy hakana ny vary any am-potony no tena antony mahatonga ny vary miakatra, raha ny filazan’ireo mpivarotra ihany. Hisy fanapahan-kevitra sy fandraisan’ andraikitry ny fanjakana ve manoloana izao fiakaran’ny vidim-bary tsy mitsahatra izao?
Mino (mpianatra asa)