Ranomasimbe Indianina : omen-danja ny vehivavy mpanjono

Noho ny fankalazana ny Andron’ny vehivavy, natao tao Rodrigues ny 10 marsa teo ny atrikasan’ny Federasiona mpanjono tranainy aty amin’ny ranomasimbe Indianina (FPAOI),* miara-miasa amin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI). Atri­kasa nanomezan-danja ny vehivavy mpanjono aty amin’ny COI, anisan’izany Ma­da­gasikara.
Afaka nandray fitenenana izay rehetra nanatrika nilazalaza momba ny asany, ny traikefa ananany, ny olana natrehany, ary ny fahitany ny ho avy. Malalaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny sehatry ny jono. Noho izany, ny fiarovana ny faritra, ny fitrandrahana maharitra sy fanajana ny harena anaty ranomasina no votoatin’ny fikaonandoha niarahan’ny COI sy FPAOI.
Na eo aza ny toeran’ny jono amin’ny lafiny toekarena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, misedra olana goavana hafa ireo mpanjono, anisan’izany ny fiovaovan’ny toetr’andro, rivodoza …Manimba ny fanjonoana ireo.
Fotoana ho an’ireo vehivavy mpanjono nanazava ny fiainan’izy ireo, ny fahombiazany sy ny fanamby apetrany. Io fotoana io koa no nahafahan’izy ireo nametraka tambanjotra iraisana aty amin’ny faritra, manoloana ny toekarena sy sosialy. Ny tetikasa Swiofish 2, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena, no nahafahana nanatanteraka tany Rodrigues, io atrikasan’ny vehivavy mpanjono io.

Ndrina
FPAOI* : Fédération des pêcheurs artisanaux de l’océan Indien

Partager sur: