Lasan’ny jiolahy ny vola sy ny entana lafo vidy tao anatin’ireo fiara tsy mataho-dalana an’ireo mpandevina tao amin’ny fasana kaominaly Anjoma Toamasina, ny zoma tolakandro teo. Nandritra ny fandevenana ny vatana mangatsiakan’ilay mpandraharaha mpanefoefo sady fanta-daza teo amin’ny sehatry ny politika, nandritra ny fitondran’ny amiraly Ratsiraka, no nitrangan’izany. Tonga marobe nitandahatra ny fiara isan-karazany ho an’ireo olona akaiky sy mahafantatra azy. Samy variana tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpandevina ka namela ny fiara teo amin’ny manodidina ny fasana. Nandritra izany, nanararaotra nanao ny nataony koa ireo jiolahy ka novakin’izy ireo ny fiara. Vokany, fiara iray very lelavola 5 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny ordinatera entin-tanana. Ny iray faharoa kosa very 4 tapitrisa Ar niaraka tamin’ny antontan-taratasy momba ny asa fandraharahana ary ordinatera entin-tanana ihany koa. Efa mandeha ny fikarohana ataon’ny polisy ao Toamasina amin’ireo jiolahy ahina ho tompon’antoka tamin’ity famakiana fiara ity.
Sajo/J.C