Faritra Atsinanana : avoahy ireo ben’ny Tanàna migadra

Nivory ireo ben’ny Tanàna 84 mandrafitra ny faritra Atsinanana, ny 6 marsa lasa teo. Mitaky ny hamoahana ireo ben’ny Tanàna naiditra am-ponja rehetra izy ireo. “Atsaharo ny fanenjehana ny ben’ny Tanàna satria olom-boafidy tahaka ny rehetra ary avoahy ny ben’ny Tanàna naiditra am-ponja rehetra”, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Tokony hisitraka ny zony tsy azo enjehina izy ireo satria olom-boafidy ary solontenan’ny vahoaka ihany koa, raha ny fanambarana hatrany.
Raha tsiahivina, naiditra am-ponja vonjimaika ny ben’ny Tanànan’i Brickaville sy ny lefiny, herintaona lasa izay. Tsy mbola voatsara izy ireo hatramin’izao. Ankoatra izay, maro ireo ben’ny Tanàna efa manana antontan-taratasy eo anivon’ny Pac. Anisan’izany ny avy ao Mahavelona Foul­pointe, Sahamatevina, Ni­erenana, Amboditandroho­roho, Toamasina. Miandry fiantsoana kosa ny avy ao Soanierana Ivongo.
Efa nivoaka ny fonja kosa ny ben’ny Tanànan’i Vavate­nina, ny 7 marsa teo, araka ny fampitam-baovao azo tamin’ny mpiara-miasa aminy. Ma­rihina fa naiditra am-ponja vonjimaika, ny 1 marsa teo, izy io. Voalaza fa afaka ma­diodio izy io taorian’io fitakian’ny ben’ny Tanàna avy any an-toerana ireo, raha ny loharanom-baovao voaray hatrany.

Sajo sy Mino
(mpianatra asa)

Partager sur: