Nanatanteraka ny fambolen-kazony ny Fikambanan’ ny mpanao gazety mikirakira ny tontolo iainana (AJE), ny sabotsy 11 marsa teo, teny amin’ny sahan’ny Saf-FJKM eny Soavina Ambanitsena. Miisa 250 ny zanakazo nambolena, nahitana «accacia», «frêne», «jacarandas» ary kafe. Nosafidiana ireo karazana zavamaniry ireo satria haingam-pitombo. Mpiara-miombon’antoka nanohana ny AJE tamin’ity fotoana ity ny orinasa Ambatovy, ny Star, ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ary ny olona tsara sitrapo, miampy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny harena lovain-jafy, namatsy ny zanakazo.
Nahomby 90% ny andiany voalohany
Fanindroany ity fambolen-kazo nataon’ny AJE ity, ka tamin’ny desambra 2019 ny voalohany. Naniry daholo ny 90%-n’ireo nambolena tamin’izany, ary misy efa mahatratra 2 metatra ny haavon’ny hazo. Nambaran’ny filohany, Andriantefiarinesy Njaka, fa manome ohatra ho an’ny mpiara-monina izy ireo, na inona na inona sehatra misy azy, ny fambolen-kazo toy izao, satria azo atao tsara ny mamerina an’i Madagasikara ho maitso. Nomarihiny koa fa ho haingana kokoa ny fiarovana ny tontolo iainana sady hitondra fampandrosoana, raha hatokana ho an’ny eny ifotony ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka.
Nj.A.