Miara-miombon’antoka ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoa (Bad) sy ny governemanta kanadianina, hanokana tahiry ho fampiroboroboana ny orinasa madinika hivelatra amin’ny sehatra fambolena sy fahaleovantena ara-tsakafo
Tsapa fa vonona ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME) hameno ny banga, hamelona ny tontolon’ny tontolo iainana sy hanomezana aina avy amin’ny ny sehatry ny fambolena. Ny famatsiam-bola ho an’ny PME miasa ho an’ny sehatry ny fambolena sy sakafo, manokatra fahafahana aty Afrika.
73,5 tapitrisa dolara no hamatsian’ny governemanta kanadianina ny tetikasa aty Afrika, tantanan’ny Bad, manodina sy mitatitra vokatra aty Afrika. Nomarihan’ireo mpamatsy vola fa mbola vitsy ny miasa mivantana amin’ny sehatry ny fambolena ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika, anisan’izany eto Madagasikara.
Ndrina