Niditra nianatra ny 6 marsa daholo ireo mpianatra ao amin’ny foibem-pitondram-paritry ny fanabeazam-pirenena Vatovavy, taorian’ny fiatoana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Freddy. Na nisy aza ireo sekoly simba sy ravan’izany rivodoza izany dia nisitraka tranolay 124 avy amin’ny Unicef sy efatra avy amin’ny Save the children ny faritra ka narafitra natao trano sekoly. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fizarana fitaovana, toy ny fanitso, fantsika, fitaovam-pianarana, kapa sy aron’akanjo ho an’ireo mpianatra, ary dabilio.
Ankizy mpianatry ny EPP sy sekoly tsy miankina manodidina ny 1000 no nisitraka fizahana maso maimaimpoana sy fizarana solomaso tao Alakamisy Ambohimaha. fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny SDSP Lalangina sy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Lion’s Club no nahitana izao hetsika izao.