Vita omaly ny antsapaka ho an’ireo ekipa 16 hiatrika ny “World Cup 2023” any Hongria, ho an’ny taranja basikety, sokajy U19. Miray vondrona amin’ny Malagasy ny ekipan’i Etazonia, mpanjakan’ny basikety.
Ho gidragidra ny lalao rehetra miandry ny Ankoay U19. Fantatra nandritra ny antsapaka natao tany Debrecen Hongria, omaly, fa miray vondrona amintsika i Etazonia na ny Bekitana, tompondakan’ny “World Cup 2018”. Ao amin’ny sokajy B no misy ny ekipa malagasy mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka “World Cup U19 2023”, taranja basikety. Fifaninanana iraisam-pirenena, hotanterahina any Hongria, ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay ho avy izao. Anisan’ireo firenena miray vondrona amintsika i Slovenia, laharana fahefatra any Eoropa sy i Liban, fahatelo any amin’ny kaontinanta Azia. Tao amin’ ny “Pot 4” nahitana ny ekipa malagasy nandritra ny antsapaka. Ao amin’ny “C” no misy an’i Egypta, iray amin’ireo solontenan’i Afrika ankoatra ny Ankoay.
Miray vondrona amin’izy ireo i Serbia sy i Japana ary i Brezila. Miisa 16 ireo mpandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa ekipa sambany vao handray anjara amin’ity Mondial ity ny Ankoay. Tsiahivina fa hisy ny fiofanana roa hatao any Egypta sy Frantsa mialohan’ ny “Mondial 2023”. Izany dia hatao ny volana jona ho avy izao.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo mpandray anjara
Vondrona A :
Espaina, Frantsa, Chine, Canada
Vondrona B :
Etazonia, Madagasikara, Liban, Slovenia
Vondrona C :
Brezila, Serbia, Japana, Egypta
Vondrona D :
Hongria, Korea Atsimo, Arzantina, Turkia