Miisa 5 ny fifaninanana ao anatin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fanamoriana fiarakodia (rallye) ho an’ny taom-pilalaovana 2023. Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana mey ho avy izao izany ka hisantatra azy ny an’ny klioba FMMSAM. Ny volana jona kosa, ny “Rallye international de Madagascar” (RIM), izay miditra amin’ny andiany faha-44. Ny klioba Asacm indray no hikarakara izany amin’ity raha ny federasiona hatrany hatramin’izay.
Any amin’ny volana aogositra ny dingana fahatelo ary ny volana septambra ny fahefatra. Any amin’ny volana desambra ny rallye farany, amin’ity taona ity. Klioba avokoa no hisahana sy hikarakara ireo fifaninanana ireo. Ny “slalom” sy ny “course de côte” izay hanakatona ny taona no horaisin’ny federasiona (FSAM).
Ankoatra izay, hitotaly 5 ny “rallye virtuel” na hatao amin’ny solosaina. 4 ny Run ary 6 ny Karting sy ny Slalom ary ny course de côte.
Andrasana raha toa ka hisy ny fifaninanana eo amin’ny rallye any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo, amin’ity.
Torcelin
Ireo fandaharam-potoanan’ny “Rallye 2023”
1-Rallye FMMSAM – (12; 13 ; 14 mai)
2-Rallye International de Madagascar – ASACM – (16; 17; 18 jona)
3-Rallye TMF – (11 ; 12 ; 13 aogositra)
4-Rallye ASA Tana – (8 ; 9 ; 10 septambra)
5-Rallye AMA – (1 ; 2 ; 3 desambra)