Lalaon’ny Nosy (JIOI 2023) : miandry ilay fampivondronana any ivelany ny atleta

Hatramin’izao, tsy mbola nisy filazana ny amin’ny fandefasana ireo atleta ao amin’ ny taranja fototra atletisma hiatrika fiofanana any Kenya sy Dakar eo amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), tanterahina eto Mada­gasikara ny 23 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao. Tsiahivina fa efa na­nambara ny fahavononana ny amin’izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena.
Miavaka ny an’ny atletisma fa tsy mitovy amin’ireo nandeha any Chine. Any Kenya, ny an’ny “demi fond” sy ny “fond”, izay miisa 9 mianadahy ary any Sénégal ny an’ireo manao ny “lancer” sy ny “saut” ny “haies” ary ny “épreuves combinés”, mahatratra 14 mianadahy. Efa lasa any amin’ny minisitera ny lisitr’ireo atleta ireo. Haharitra efa-bolana io fiomanana io, raha ny voalazan’ny tomponandraikitra.
Marihina fa noho io fiofanana io, tsy nandeha niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, amin’ny «cross country », natao tany Bathurst Australie, ny 18 febroary lasa teo i Nathalie (Itasy) sy i Clé­ment (Cosfa). Mandra-piandry ny fiaingana, manoman-tena ao Alarobia ireo atleta eto Analamanga ary any amin’ny toerana misy azy avy ireo any amin’ny faritra. Na izany aza, nisy ireo atleta avy any amin’ ny ligin’Atsimo Andrefana, efa tonga eto an-drenivohitra na tsy mbola nisy fiantsoana aza. Sahirana izy ireo satria mianto-tena amin’izany.

Tompondaka

Partager sur: