Mahavalalanina !

Mbola manjavozavo tanteraka ny resaka fifidianana izay ho filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, hatramin’izao fotoana izao. Tsy hay mazava ny tena tian’ireto mpanao politika hahatongavana. Marina, efa mandeha ny fitetezam-paritra etsy sy eroa. Misy ny kivorivory avy amin’ny ankolafin-kery isan-karazany, saingy mbola tsy mamaha ny firoaroavan-tsaina misy eo amin’ny vahoaka malagasy izany. Tsy mbola afaka ny manome toky ny rehetra na ny fisian’ilay datin’andro navoakan’ny Ceni, efa nohamafisin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana aza.
Raha ny zava-misy ankehitriny, ireo mpiara-miombon’antoka vahiny no tena serintseriny, miaraka amin’ny ankolafin-kery ivelan’ny fitondrana. Mahavariana, fa hatramin’ny omaly, misy vondron’olona mivoy tampoka ny fanovana Lalàmpanorenana izany. Ny mpitaky teteza-« miitatra » tsy hanaovana resabe intsony. Ny fambolen’ny sasany korontana mivantana na ankolaka rahateo efa tsy takona afenina. Tafiditra anatin’ny kajikajy politika daholo izany. Efa raikitra ny ankisisika sy ny fifamingampinganana etsy sy eroa.
Hafahafa ny fitsoakan’ny rivotra politika eto amintsika. Mbola sarotsarotra hinoana ny hisian’ny fifidianana araka ny tokony ho izy. Ny raiamandreny am-panahy efa iaraha-mahalala fa anatin’ny fiketrehana ny fitadiavam-bahaolana amin’izao disadisa politika, tsy hita izay handraisana azy izao.
Na izany na tsy izany, efa misehoseho lany ny hery politika isan-karazany. Ny tena nanaitra dia ny antoko Asa vita no ifampitsarana (Avi), izay tarihin’ny filohany teo aloha, Norbert Lala Ratsirahonana. Raiamandreny noheverin’ny fitondrana fa sakaiza mahatoky. Raha atao ny famakafakana, mahalasa saina ny fanambarana farany nataony. Tsy misy antoka milaza 100% fa azon’ny mpitondra ankehitriny ianteherana izy. Efa navelany malalaka rahateo ny mpikatroka ao aminy, hanohana izay mahametimety ny sainy sy handriandrian’ny fony. Efa mandeha mitety faritra rahateo ny tenany sy ny mpitantana vonjimaika ny birao nasionaly.
Ankoatra ireo, betsaka ny azo ambara, indrindra ny fijabahan’ny vondron-kery avy any ivelany amin’ny fanohanana kandidà. Raha mbola tsy milaza mazava ny mpiara-miombon’antoka aminy ireo mpanankarena mpanefoefo, efa mitety tanàna. Hita taratra fa ankoatra ny tandrefana, izay tsy miseho mivantana, manana ny olony ihany koa ny Rosianina. Tsy azo hodian-tsy hita sy tsinontsinoavina izany. Tsy hitazam-potsiny ireto farany fa tsy maintsy hitady hirika hahazoana faka eto Madagasikara.
Iaraha-mahita ny fivoaran’ny jeopolitika maneran-tany. Hery goavana, tsy azo tsinontsinoavina ny Rosianina. Tsy hanaiky mora, amin’ny figiazana ny firenena efa hananay herijika hanjakana ihany koa izy. Anisan’ireny i Madagasikara ! Firenena iray izay misababaka andro aman’alina manoloana ny fivoaran’ny ady any Ukraine. Milaza ho manohitra ny ady, tsy ampy 24 ora aorian’izay, manambara fa mijanona ho tsy mpomba ny atsy na ny aroa. Midika tsy hisian’ny fanapahana ny fiaraha-miasa amin’i Rosia izany.
Raha atao indray mijery ny zava-misy. Ny vahoaka ihany no hany lasibatry ny sangodim-panina. Ankoatra izay, migalabona amin’ny volabe sy ny tombontsoa diplomatika azo avy amin’ny politika. Mahafanina sy mahavalalanina !

r.r

Partager sur: