Hotanterahina eto Madagasikara, ny herinandro faran’ny volana jolay 2023, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadets sy Juniors. 18 mianadahy ny judokas malagasy hifaninana.
Araka ny efa nolazain’ny filohan’ny UAJ (Union africaine de Judo), Randrianasoloniaiko Siteny, ny faran’ny volana febroary lasa teo, raikitra fa handray ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika sokajy Cadets sy Juniors i Madagasikara. Mbola tsy voafaritra mazava ny daty saingy efa fantatra kosa fa ny faran’ny volana jolay no hanaovana izany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny tomponandraikitry ny fitantanana ny fanatanjahantena eto Afrika. Mpikatroka lehilahy 9 sy vehivavy 9 no handray anjara ho an’ny Malagasy, amin’ny maha firenena mampiantrano antsika. Izany hoe, judokas 2 isaky ny sokajy farafahabetsany, araka ny fanazavan’ny komisiona teknika eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Judo. Fepetra maro no takina amin’ireo mpikatroka hisolotena ny Malagasy ireo. Anisan’izany ny haavo teknika sy ny lenta mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy Cadets sy Juniors. Ny 14 hatramin’ny 16 avrily izao no kasaina hanaovana ity fifaninanana nasionaly ity hitiliana izay atleta mendrika miisa 18 mianadahy.
Tsy ny vokatra azony mandritra io fifaninanam-pirenena io ihany no hitiliana ny atleta fa eo ihany koa ny fahazotoany sy ny fahaiza-manaony mandritra ny fanazaran-tena, izay hataony eny anivon’ny klioba misy azy. Hojerena etsy ankilany, ny fitondran-tena sy ny fahazotoana amin’ny fampivondronana hatrehan’ireo atleta. Nambaran’ny Tale teknika nasionalin’ny FMJ fa mbola hisy ny “test match” mialoha ny hamoahana ny tena lisitra faran’ny atleta hiatrika ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao eto Madagasikara, ity.
Mi.Raz