Barea de Madagascar : hanomboka anio ny fampivondronana

Ho fiatrehana ny lalao hihaonan’ny Barea de Mada­gascar amin’i Centrafrique, ny 23 marsa ho avy izao, etsy Mahamasina dia hotanterahina anio ny fampivondronana voalohany ho an ‘ny ekipam-pirenentsika. Marihina fa lalao fifanintsanana handraisana anjara amin’ ny Can 2024, hatao any Côte d’Ivoire no ataon’ny Barea. Miisa telo ireo mpilalao ho avy mialoha eto an-toerana. Anisan’izany i Melvin Adrien, i Ibrahim Amada, i Julio Donisa. Noho ny antony manokana, mety tsy afaka manatrika ireo lalao roa hihaonana amin’i Cen­trafrique i Marco Ilaima­haritra. Tsiahivina fa mbola tsy nandresy ny ekipa malagasy ary isa iray no ananantsika, nandritra ireo lalao roa natao tamin’i Ghana sy Angola. Faharesena tamin’ ny isa 3 no ho 0 nanoloana an’i Ghana tamin’ny lalao mandroso, ary ady sahala 1 no ho 1 teto amintsika nanoloana an’i Angola, teo amin’ny dingana voalohany. Manana fanantenana ny Malagasy, mbola misy lalao efatra afaka hanarenana ny lesoka. Ankoatra izay, nahemotra ny lalaon’ny Fosa Junior, CFFA, Elgeco plus, amin’ny fifaninanana “Orange Pro League” (OPL) noho ny fampivondronana ny ekipam-pirenena.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: