Semi-marathon Telma – «Mada 2023» : hisy atleta maorisianina handray anjara

Hotanterahina ny alahady 26 marsa izao, eto Antana­narivo ny fifaninanam-pirenena amin’ny semi-marathon, iarahana amin’ny Telma. Hiavaka ity andiany fahatelo ity noho ny fisian’ny mpifaninana maorisianina, handray anjara. Efa nandefasana fanasana ny renione saingy mety tsy ho avy noho ny fisian’ny fifaninanana, mifanakaiky amin’ity semi-marathon ity. Io no nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona, tamin’ny mpanao gazety, tetsy Andraharo, omaly alarobia. Hanan-danja io semi-marathon Telma io, satria hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena ho an’ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara.
Na izany aza, efa tafita amin’io lalaon’ny Nosy io i Mampitroatse eo amin’ny lehilahy ary i Nanie sy i Nathalie, ho an’ny vehivavy. Mbola mila atleta 4 eo amin’ny lehilahy ary 3 ho an’ny andriambavilanitra. Ankoatra izay, zava-baovao ny fisian’ny fifaninanana ho an’ny sokajy “vétéran”, mihoatra ny 35 taona. Misokatra ho an’ireo mpifaninana rehetra manana kara-pilalaovana ara-dalàna ny fifaninanana.
Hiova kely koa ny lalana hizorana sy ny toeram-piaingana sy fahatongavana izay
eo amin’ny kianja Alarobia. Ankoatra ny semi-marathon 21, 095 km, hisy ny hazakazaka 5 km ho an’ny sokajy “junior” lahy sy vavy ary ny Kid’s athletics, hazakazaka ho an’ireo ankizy mpianatra 8 – 10 taona. Hanolotra ny amboara sy ny fanomezana ho an’ireo mpandresy ny Telma. «Hampitomboina ny lelavola ho an’ireo voalohany”, hoy i Ny Aina Rakotonandrasana, tomponandraikitra misahana ny hetsika eo anivon’ny Telma.

Torcelin

Partager sur: