Tsy raikitra ny fampivondronana ny Barean’i Madagasikara, saika hataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Misedra olana ara-bola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina,
ahafahan’ireo mpilalao avy any ivelany mihazo an’i Madagasikara ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF).
Tsy tontosa ny fikasana hampivondrona ireo mpilalaon’ny Barea nataon’i Nicolas Dupuis, mpanazatra, omaly. Araka ny vaovao voaray dia misedra olana amin’ny resaka vola sy tapakila amin’ny seranam-piaramanidina handehanan’ ireo mpilalao mila ravinahitra mody eto an-tanindrazana ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Tsiahivina fa fito andro sisa ny fihaonana amin’i Centrafrique ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Lalao tafiditra amin’ny fifanintsanana “Can Côte d’ Ivoire 2024”, hotanterahina ny 23 marsa ho avy izao, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina. Noho ny olana mianjady amin’ny FMF, hahemotra ny alahady 19 marsa ho avy izao ny fampivondronana voalohany ho an’ny ekipa malagasy.
Niantso mpilalaon’ny Atletico Madrid i Centrafrique
Nivoaka omaly ny lisitry ny mpilalaon’ny Fauves Centrafrique hihaona amin’ny Barea. Mpilalao miisa 26 mirahalahy no nantsoin’i Savoy Raoul, mpanazatra, hiaro ny voninahi-pireneny. Anisan’ izany i Geoffrey Kondogbia, irakiraka mpiaron’ny Atletico Madrid, Espaniola, diviziona voalohany. Miisa 8 ny mpilalao avy ao an-toerana, raha toa ka 18 ny mila ravinahitra. Tombony ho an’ny Fauves ny fisian’i Louis Mafouta, lohalaharan’ny Quevilly Rouen Frantsa, diviziona faha-2, izay nahatafiditra baolina 8 nandritra ny lalao 24 nataony amin’ ny fifaninanana « Ligue 2 ». Ahitana mpilalao roa avy nanatrika ny Can U20 2023, natao tany Egypta ny ekipan’i Centrafrique. Biakolo Toni, vodilaharan’ny Toulouse FC (D1 Frantsa) sy i Ato-Zadanga Noah, irakiraka mpanafika ao amin’ny CD Santany Espaina.
Fitia (Mpianatra asa)
Ireo mpilalao 26 ny Fauves Centrafrique :
Mpiandry harato : Kollimba Alladoum (Katsina United FC Nigeria) – Youfeigane Dominique (EA Guingamp Frantsa ) – Biandao Marcellin ( USCA Centrafrique )
Vodilaharana : Biakolo Tony (Toulouse FC Frantsa) – Guinari Peter (FC Wiltz 71 Luxembourg) – Mboumbouni Dylan (CS Mioveni Roumanie) – Niamathe Freeman (Red Star Centrafrique) – Guesset Bangagbi Donald (ORB Centrafrique) – Pounayo Riphat (Fatima Centrafrique) – Yangao Flory (ORB Centrafrique) – Dambakizi Sidney (ORB Centrafrique)- Youmbi Jacob (Al Bahri SC Irak)
Irakiraka : Kondogbia Geoffrey (Atletico Madrid Espaina) – Pirioua Brad (Istres FC Frantsa) – Benemna Donald (Northern Colorado Hailstorm Etazonia) – Ato – Zadanga Noah (CD Santanyi Espaina) – Toropite Trésor (AS Otôho d’Odyo Congo) – Ngoma Isaac (Tempête Centrafrique) – Nlend Samuel (Bisha FC Arabia Saodita) – Baboula Ghislain (Racing CFF Frantsa)
Lohalaharana : Namnganda Karl (La Roche VF Frantsa) – Ouatching Yassan (Hearts of OAK Ghana) – Manzoki César (Dalian Pro FC Chine) – Tompte Eleoenai (ASV Siegendorf Autriche) – Mafouta Louis (Quevilly Rouen Métropole Frantsa)