GAMMA-Jaunbocus Muhamad : hampivondrona ireo mpanao haiady eto Madagasikara

Mandalo eto Madagasi­kara, amin’izao fotoana izao, ilay Maorisiana, Jaunbocus Muhamad, sekretera jeneralin’ ny Jiu-jitsu African Federa­tion (SJJAF) sady solontenan’ ny Global Association of Mixed Martial Arts (GAMMA) atsy Maorisy. Fanidroany amin’ izao no mivahiny eto Mada­gasikara ny tenany. Hampi­vondrona ireo mpanao haiady toy ny jiu-jitsu, grappling sy ny MMA no antondiany. An­koatra izay, hankahery sy hi­jery ny fomba hahafahan’ny rehetra handray anjara amin’ ilay « Open d’Afrique » ho an’ny grappling ny tenany, izay hatao atsy Maorisy amin’ ny 18 novambra. Eo ihany koa ny fanampiana amin’ny fizarana traikefa ireo mpikatroka malagasy, izay tokony hamiratra mandritra io « Open d’Afrique de grappling » sy ny « Open Fight Champion­ship » ho an’ny MMA. Momba ilay fikarakarana ny andiany voalohany amin’ny OFC ha­trany, nanambara ity Maori­siana ity fa ady ho an’ny matihanina anatin’ny ringa mifefy izy ity, izay sambany tonga atsy Maorisy.
Nohamafisiny, anisan’ireo fifaninanam-pirenena MMA tsara indrindra, hivondronan’ ireo mpikatroka sangany izy ity. Nampanantena ny tenany fa fifaninanana lehibe tsy latsa-danja amin’ireny any amin’ireo firenena lehibe no hitranga ao Maorisy, miara-miasa amin’ny GAMMA iraisam-pirenena rahateo izy ireo. Efa firenena ampolony no nanambara ny ho fandraisany anjara amin’izany, hoy ha­trany ity tomponandraikitry ny SJJAF ity amin’izao fotoana izao, anisan’izany i Madaga­si­kara. Mieritreritra ny hikarakara izany hetsika izany intelo isan-taona izy ireo. Naneho ny hafaliana amin’izao fandalovan’i Jaunbocus Muhamad izao ny filohan’ny fikamba­nana kempo sy MMA eto Ma­dagasikara, Rakotonindriana Parfait, izay raha ny namba­ran’ity Maorisiana ity dia ho matotra kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta atsy ho atsy.

Mi.Raz

Partager sur: