Tontosa ny alahady 12 marsa teo, tao amin’ny kianja mitafon’ny CRJS Toamasina, ny fifaninanana taranja kick boxing ho an’ny faritra Atsinanana. Fifaninanana hifantenana izay hisolo tena ny faritr’ Atsinanana, hiatrika ny fampiofanana hanomanana ny lalaon’ny Nosy. Miakatra amin’ny tsaratsara kokoa ny lentan’ny taranja kick boxing ao amin’ny faritra Atsinanana, raha ny hita nandritra ity fifaninanana ity. Ady miisa 20 no nitranga, izay mitsinjara ho 9 teo amin’ny sokajy C, 4 teo amin’ny sokajy B ary 7 teo amin’ny sokajy A.
Momba ny fifaninanana, KO miisa 3 no nisy, ka anisan’ izany ny teo amin’ny latsaky ny 48 kg, nahazoan’i Jonathan (CKBT) nanoloana an’i Jiliano (Big Foot). Teo koa ny fifanandrinan’i Emilien (SPG) sy i Jamy (CJST), latsaky ny 51 kg ka nanipazan’ny mpanazatran’i Emilien ny servieta. Samy tao amin’ny sokajy C avokoa ireo ady roa ireo.
Niavaka kosa ny nandavoan’i Jaotombo Jerry Edino (Prestige de l’Est), izay efa tompondakan’ny faritra Atsinanana intelo nisesy, an’ i Tselany Ronaldino Alberto na i Dino (Mahanoro) izay tompondakan’i Madagasikara ny taona 2022 teo amin’ny sokajy A, latsaky ny 63 kg. Totohondry tsy an-kiato nandritra ny 30 segondra no nahazo ity tompondakan’i Madagasikara ity ka KO avy hatrany. Fotoana nanokafana ofisialy ny taom-pikatrohana 2023 ho an’ny ligin’Atsinanana ihany koa ity fifaninanana ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligy, i Mananjara James Antonio.
Sajo