Olan’ny Karate- Do malagasy : mijoro ara-dalàna ny Federasiona tarihin’i Emile R

“Tsy marina ny filazana fa tsy misy ny federesiona karate-do eto Madagasikara”, hoy Ratefinanahary Emile, filo­han’ny Federasiona malaga­sin’ny Karaté-Do, ny alakamisy 16 marsa lasa teo, teny Tsimbazaza. Nomarihin’izy ireo fa nankatoavin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena ny fisian’ny Federasiona izay tarihin’i Emile Ratefina­nahary, nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana na ny “AG extra ordinaire”, natao ny 15 oktobra lasa teo. Araka izany, mitaky an-dramatoa Rakoto­zafy Rosa, mba hamoaka ny “Certificat de Conformité” ho an’i Emile Ratefinanahary.
Manao fangatahana amin’ ny minisitra vaovao, Haja André Resampa, izy ireo mba hijery akaiky ny taranja. No­hamafisiny fa “tsy misy federasiona roa eto Madaga­sikara”. Efa mipetraka daholo, hoy izy, ny rafitra mpanatanteraka eo anivon’ny Fe­derasiona na ny “Comité exécutif”, ary manohy ny asany na dia voasazin’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao na CIJ. Tsiahivina fa efa mikarakara ny fifaninanana “Coupe du Président” ny Federasiona Karate-Do, tarihin’i Emile R, ary efa miroso amin’ny fiomanana ny fifanintsanana hiatrehana ny lalao Olympika hatao any Los Angeles, ny taona 2028 izy ireo.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: