Fantatra ireo mpilalao hiatrika ny fampivondronana, hiomana amin’ny lalaon’ny Nosy, hatao eto Madagasikara, ho an’ny taranja Volley-ball. Mpilalao 20 lahy sy 20 vavy no hifantenana izay handrafitra ny ekipa nasionaly, ho an’ny volley anaty efitrano. 11 hahy sy 8 vavy kosa ho an’ny Beach Volley. Araka ny hita ao anatin’ny lisitra, nantsoina hanampy ny ekipa malagasy, Rambony Melissa (OPP), mpilalao ao amin’ny Anse Royale Seychelles sy Razafindravoara Jean Ricco (S), mpilalao ao amin’ny New Boys Seychelles ary Rivoharilala Ghislain (OPP/ARR), avy ao amin’ny St LEU La Réunion . Malagasy mpilalao mila ravinahitra any ivelany izy 3 mianadahy ireo. Hahitana mpilalao avy amin’ny GNVB miisa 14 mirahalahy, Cosfa 1 ary ASI miisa 3 ao anatin’ity lisitra nivoaka ity, eo amin’ny sokajy lehilahy. Stef’Auto miisa 6, GNVB miisa 9, ASI miisa 2 ary BI’AS sy MVBC iray avy kosa, eo amin’ny sokajy vehivavy. Mitarika ny fanazarana ny lehilahy mpilalao, Randriamparany Eric Franco. Manampy azy kosa, i Serge Eric Saramba sy Rabenarivo Eric Don Juan. Eo amin’ny vehivavy kosa, mpanazatra i Zafindalana Gildas ary manampy azy Randriamisasaona Tiana sy Randriamarosoa Tovo. Tsiahivina, hanomboka ny 20 marsa izao hatramin’ny 30 jiona izao, eto Antananarivo sy any Toamasina, ity fampivondronana ity.
Mi.Raz