Tsipy kanetibe : nesorin’ny federasiona iraisam-pirenena ny sazin’i Madagasikara

Afaka ny tahotra sy ny tebitebin’ny mpilalao tsipy kanetibe malagasy. Nofoa­nan’ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ny sazy no­mena an’i Madagasikara. Ny sabotsy lasa teo, nandritra ny fivoriambe nataon’ny federasiona malagasy (FSBM), na­tao tao amin’ny ANS Am­pefiloha, nanambaran’Andria­lemirovason Amiroudine, filohany fa nandefa taratasy manafaka izany, ity rafitra misahana ny tsipy kanetibe maneran-tany ity. Araka izany, miverina ao anatin’ny sehatra iraisam-pirenena in­dray ny tsipy kanetibe malagasy. Tsy misy fisalasalana intsony ny fandraisan’i Ma­dagasikara anjara amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), hatao eto Madagasikara ary hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany hotontosaina any Benin, ihany koa ho an’ny “senior”, olon-telo miaraka lehilahy sy olon-droa vehivavy, ny volana septambra. Eo koa ny ho tompondaka eran-tany any Thaillande, ho an’ny olon-telo miaraka vehivavy sy ny tanora ny volana novambra, ho avy izao.
Na izany aza, mbola nametraka fepetra ny federasiona iraisam-pirenena, mba tsy hisy mpilalao hijanona any Frantsa intsony rehefa miatrika fifaninanana any ny ekipa malagasy. Anisan’ny nanampy ny federasiona nahazoana izao, fahafahan-tsazy izao ny Komity olympika Malagasy sy ny minisiteran’ny Fana­tanjahantena. Misy ihany koa ny tsy fahafahan’ny Malagasy miara-miasa amin’ireo fikambanana sasany any ivelany.
Farany, nahazo fankatoavana “quitus” avy amin’ireo ligim-paritra, ny komity mpitantana eo anivon’ny federasiona malagasy.

Torcelin

Partager sur: