Tontosa teny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fanokafana ny taom-pilalaovana, ho an’ny federation sport boule malagasy (FSBM). Fifaninanana ho an’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ara-dalàna, nanamarihana izany fanombohana izany.
Nisongadina teo amin’ny sokajy “sénior” lehilahy BIC sy ny C2BA Vakinankaratra ho an’ny vehivavy. Resin’ny ekipan’ny BIC, nahitana an’i Daddy sy i Tiana ary i Lova teo amin’ny famaranana, i Tony, Oscar, Hery. Tamin’ny isa, 13 no ho 11 nisarahan’ny roa tonta. Niady ary nifanenjehana hatramin’ny farany ny isa, teo amin’ny roa tonta. Nandresy kosa ny C2BA nisy an’i Voahangy sy i Miranto teo amin’ny vehivavy rehefa nandavo ny PAC nilalaovan’i Soa sy i Fana, tamin’ny isa 13 no ho 11. Nahazo 1 tapitrisa Ar ny voalohany teo amin’ny lehilahy raha 300.000 Ar kosa ny vehivavy, niampy amboara avy.
Ny ekipan’ny Besady nahitana an’i Mampandry, Dylan, Fenosoa no voalohany teo amin’ny sokajy “jeune”, rehefa nampiondrika ny UBM,
tamin’ny isa mazava 13 no ho 2. Ny PCT notarihin’i Victor, Benjamin, Michel no nahazo ny amboara teo amin’ny “véteran”. Samy notolorana amboara sy lelavola 300.000 Ar daholo ireo mpandresy.
Nahatratra 153 ny mpandray anjara teo amin’ny “sénior” lehilahy, raha 44 ny vehivavy. 27 avy kosa ny teo amin’ny sokajy zandriny sy zokiny.
Dingana manaraka ny “Grand Open FSBM”, hatao ny 29 sy 30 avrily ho avy izao eto Analamanga.
Tompondaka