Kick Boxing-JIOI : mikotrana in-3 isan-kerinandro ny atleta

Manomboka miditra amin’ ny fampivondronana ihany koa ny mpikatroka eo anivon’ ny taranja kick boxing, ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy. Mbola mandeha tsikelikely anefa izany, noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly ny fede­rasiona, i Anigael Gastros. Fanazarantena iraisana in-3 isan-kerinandro ihany aloha izao no hatao ary ireo atleta avy eto Analamanga no efa nanomboka izany eny amin’ny Club RKC Ivandry. Ma­nome ny fanazarantena ny Tale teknika nasionaly miaraka amin’ ireo mpanazatra nasionaly. Hotanterahina any Antsirabe kosa ny “combat de défi” voalohany, hitsapana ireo mpikatroka, ny 2 avrily izao.
Tsiahivina, 43 mianadahy ny isan’ny mpikatroka manerana ny Nosy hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pire­nena malagasy hiatrika ny lalaon’ny Nosy.

Mi.Raz

Partager sur: