Tsy vitan’ny nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin’ny Ceni ny hetsiky ny mpanohitra. Mitaky ny hijerena manokana ireo rafitra mikarakara ny fifidianana koa izy ireo.
“Raha mbola io Ceni amin’izao io, tsy mety ny fitantanany ny fifidianana eto Madagasikara fa mila hatsaraina sy hamboarina. Tazonina ihany ny Ceni fa hampidirina ao anatiny ny adminisitratera sivily sy ny antoko politika”, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vondrona Panorama, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny antson’ny Ceni amin’ny fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana sy ny antontam-baovao amin’izany.
Ho tratra ve izay fanatsarana ny Ceni izay? Raha izao no jerena izay, hampiditra amin’ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena, volana mey: azo heverina ny hanatrarana an’izany. “Rehefa tsy vita izay, aleo misaraka aloha mandamina ny tokontany. Satria tsy ho tompon’antoka amin’ny ady eto izahay Panorama amin’ny zava-misy”, hoy izy.
Mila halamina aloha ny tokotany
Niezaka hatrany ny Ceni sy ny vondrona Panorama nifanatona hatrany am-boalohany. Saingy natao tsinontsinona sy tsy notanterahina ny zavatra nangatahin-dry zareo tamin’ny Ceni: tokony ho olona nofidina eny anivon’ny fokontany no manao fanisam-bahoaka amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Nampiantso koa ry zareo ny amin’ny asa vita amin’ny fanisana mpifidy. Nanatrika izany ny vondrona ary nahita fa kitoatoa ny fomba fiasa, araka ny nambarany.
Amin’izao, niantso indray ny Ceni ny amin’ny fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina sy ny lisitry ny mpifidy, namaly ny vondrona fa tsy misy tokony hanaraha-maso izany. Tsy ekeny ny fomba fiasan’ny Ceni, izay mandeha ila fa tsy iarahan’ny rehetra. Ho an’ny vondrona Panorama: tsy misy fifidianana azo atao eto, raha tsy milamina aloha ny tokontany. Madio ny lisi-pifidianana amin’izany.
R. Nd.