Miditra an-tsehatra sy mandray anjara amin’ny fandaminana ny fifamoivoizana ny polisy monisipaly. Mandrindra ny fiantsonan’ny fiara koa amin’izao fankalazana ny Taombaovao izao, tanterahina omaly sy anio etsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Narahin’ny fanambarana izany ny amin’ny tsy tokony handalovana amin’ny faritra manodidina ny kianjaben’i Mahamasina. “Hialana amin’ ny mety ho fahasorenana ateraky ny fitohanan’ny fifamoivoizana izany. Ho maro tokoa ny olona hifamezivezy eny an-toerana”, hoy ny eo anivon’ny CUA. Efa nosantarina halina tamin’ny fitsenana ny «Afo tsy maty» izany, nanomboka tamin’ny 6 ora sy sasany ary nitohy tamin’ny harendrina sy ny afomanga, narahin’ny fety aman-danonana sy ny tsimandrimandry. Maherin’ny 60 ireo polisy monisipaly hiaraka hisalahy amin’ny mpitandro filaminana hafa mandritra ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny lehibe mpitarika azy ireo. Eo hatrany izy ireo hanoro sy handamina ny mpampiasa lalana amin’ny tokony halehany. Hitandro ny filaminana koa.
Synèse R.