Lisitry ny mpifidy: mandalo dingana ny fitsirihana

Fandinihana ny rindrambaiko sy ny asa amin’ny fikirakirana ny antontam-baovao, ohatra, fandinihana ny fisoratana anarana isaky ny fari-pifidianana, fandinihana ny fifanarahana ankapobeny ny mombamomba ny mpifidy voasoratra anarana… Ireo no anisan’ny dingana voalohany amin’ny fanaovana fitsirihana ny asa amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejistry ny lisi-pifidianana nasionaly, araka ny fanambaran’ny Ceni, teny Alarobia, afakomaly.
Iarahana amin’ny Fikam­banana Frankofonia (OIF) sy ny mpisehatra amin’ny fifidianana toy ny antoko politika sy ny firaisamonina sivily, ny fitsirihana ny rindrambaiko ampiasaina sy ny dingana vita. Eo koa ny fitadiavana ny fisian’ny anarana miverina na mety zavatra hafa tsy araka ny tokony ho izy mba hahazoana antoka ny fisoratana anaran’ny mpifidy amin’izay fitsirihana izay, ny fanamarinana ny antontam-baovao mombamomba ny mpifidy tsirairay.
Mialoha ny famaranana sy fanontana printy ny lisi-pifidianana kosa ny fitsirihana faharoa. Hatao ny volana jona. Anisan’ny hatao ny fa­namarinana ny fanatanterahana ireo torohevitra tamin’ny fitsirihana dingana voalohany. Eo koa ny fandinihana ny fifanarahana ny antontam-baovao fototra momba ny mpifidy, ny fanaovana tombana ny taham-pisoratana anaran’ny mpifidy, fanaovana tatitra ny vokatry ny asa sy ny fandinihana ary ny toromarika natao…

R. Nd.

Partager sur: