Misaona ny baolina kitra : notolorana mari-boninahitra Rakotonirina Désiré na i Dezy Monstre

Niainga omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­masina, hihazo ny faritra Amoron’i Mania, distrikan’i Fandriana niaviany, ny nofo mangatsiakan-dRakotonirina Désiré na i Dezy Monstre, kintan’ny baolina kitra malagasy. Mialoha izany, nisy ny fanolorana mari-boninahitra « Chevalier de l’Ordre National Malagasy» azy. Nitarika izany i Haja André Resampa, minisitry ny Fanatanjahantena sy Andrianony Victorien, filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny miaramila.
Taorian’izany, nanolotra ny teny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ny fanjakana sy ny olona rehetra nampahery ny ankohonan’i Dezy ny so­lontenan’ny fianakaviana. Araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo miaramila dia ahitana tombontsoa ny fahazoana ny « Chevalier de l’Ordre Na­tional Malagasy ». Anisan’ izany ny fisitrahan’ny vadin’ Itompokolahy Dezy ny 5% ny fisotroan-drononony. Tsiahivi­na fa mpilalao baolina kitra nanamarika ny taona 70 sy 80 Rakotonirina Désiré ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Club M ny tenany.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: