Miara-miasa amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra ny Paris FC sy ny Elgeco Plus. Io no fantatra nandritra ny valan-dresaka nataon’i Granddi Ngoyi, mpitily mpilalao ao amin’ity ekipa parizianina ity sy ny tomponandraikitry ny Elgeco Plus, tamin’ny mpanao gazety, omaly teny amin’ny kianja By-pass. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoanany ny ho eto Madagasikara na hitety an’i Afrika aza izy, fa noho ny fiangavian’i Bolida, mpilalao fahiny tao amin’ny Paris FC no naharesy lahatra azy, ho tonga eto.
Hateloana ny fivahinianany eto Madagasikara ka anisan’ny tanjony ny hijery mpilalao afaka hanatevina ny Paris FC. Na dingana savaranonando ihany aza izao fiaraha-miasan’ny roa tonta izao, nahaliana azy ny nahita ny fotodrafitrasa tao amin’ny kianja Elgeco Plus sy ny talentan’ ireo mpilalao nanaovana fitiliana.
Hanao tatitra ny zava-misy
Tsy mbola hitondra mpilalao izy fa hanao tatitra ny zavatra hitany teto Madagasikara amin’ny mpitantana ny Paris FC, ka aorian’izay vao ho masahina ny tena votoatin’ny fiaraha-miasan’ ny Paris FC sy ny Elgeco Plus ka hisy fiverenan’ity teknisianina ity, aorian’izay.
Tetsy an-kilany, tsy nanafina ny hafaliany Rajaonarison Gérard, filohan’ny Elgeco Plus, izay nilaza fa efa nandrasana hatry ny ela izao fiaraha-miasa izao, ary nisaorany manokana i Bolida, izay vy nahitana sy angady nananana, izany. “Efa ela aho no nandresy lahatra ny tale teknikan’ny Paris FC, hiara-kiasa amin’ny klioba eto Madagasikara saingy taorian’ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ny Can 2019 sy Chan 2023, vao tapa-kevitra izy ireo”, hoy izy. Nohamafisin’Andriamanampisoa Alfred, filoham-boninahitry ny Elgeco Plus fa tsy eto amin’ny ranomasimbe indianina ny tanjona raha handefa mpilalao fa any Eoropa. Ny taona 2008 no nitsangana ny Elgeco Plus, ka anisan’ny ezaka nataon’izy ireo ny fananana kianja notakian’ny CAF sy ny FIFA.
Marihina fa hanatrika ny lalao hifanandrinan’ny Barea de Madagascar sy ny Les Fauves-n’i Centrafrique, atao anio i Granddi.
Tompondaka